Na dia efa nolanian’ny besinimaro aza ny ho tohin’ny fandaharam-potoan’ireo solombavambahoaka nanomboka ny talata teo mandra-pahatongan’ny talata 20 mey dia nikorontana ambony ambany izany noho ny laharam-pahamehana noheverin’ireo depiote fa tena mahamaika.
Ka raha ny tsy fandriampahalemana any Atsimo no tokony ho nodinihana aloha omaly dia ny raharaha anatiny ao amin’ity Lapa ity aloha no nalefa aloha ka nanaovan’izy ireo fivoriana manokana tsy azon’ny rehetra natrehana. Heno tsiliantsofina ihany anefa fa adivarotra amin’ny karama sy tombontsoan’ireo depiote sy ireo mpanampy azy no navaivay tao. Anio vao hiditra amin’ilay tsy fandriampahalemana any Atsimo ny dinika eny Tsimbazaza eny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.