Politique

Antenimieram-pirenena Tombontsoa ihany, tombontsoa hatrany ny an’ny depiote


  • Sabotsy 05 Jolay 2014

Nifarana iny ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity taona ity, izay voatondron’ny lalŕna fa tsy mahazo mihoatra ny 60 andro. Ny talata 6 mey no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana notarihan’ny filoha vaovao Jean Max Rakotomamonjy rehefa voaongana ny birao maharitra teo aloha notarihan’i Christine Razanamahasoa.......

Somary politika kokoa iny fivoriana ara-potoana voalohany iny. Fiadiana tombontsoa no tena nibahan-toerana. Tsy dia nahoraka firy ny fandinihana sy fandaniana ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna 10 mahery teny Tsimbazaza teny tahaka ny mahakasika ny fifanarahan’ny fanjakana Malagasy amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Unesco momba ny fiaraha-miasa iadiana amin’ny fihinanana na fitsindronana fanafody mampatanjaka amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Teo ihany koa ny faneken’ny teny Tsimbazaza ny hananganana ny vaomieram-pirenena mahaleotena ho an’ny zon’olombelona …

Lany andro mifamingana ny eny Tsimbazaza eny

Ny tonga ao an-tsain’ny mpanara-baovao raha vao miresaka Antenimieram-pirenena sy depiote tonga dia ny fiara 4X4, tambin-karama, ady seza sy fanonganana, vola be kolikoly hamadihana palitao, ary tsy vitsy ny solombavambahoaka ankehitriny efa lasa mpanakarem-be sahady. Miisa 147 ankehitriny ireo olom-boafidy miasa eny Tsimbazaza, eo am-piandrasana ireo 4 hofidiana amin’ny 29 aogositra, 31 ny isan’ireo vaomiera. Hatreto anefa dia tsy tena hita izay zavatra misongadina. Lany andro mifamingana ny eny Tsimbazaza eny. Toa ifaninanana ny famadihana palitao, saika tsy vita ny fananganana ireo vondrona parlemantera kanefa izany no asa faran’izay mora indrindra sy tsotra satria tokony hahalala ny firehana ara-politikany ny solombavambahoaka tsirairay fa tsy tambazana kely dia miditra ho mpikambana ao amina vondrona parlementera iray. Hita mibaribary be fa nivory ho an’ny tenany sy ny tombontsoany ireo solombavambahoaka fa tsy tena nihevitra ny hanasoa ny vahoaka nifidy azy ireo akory. Efa nilaza ny praiminisitra Kolo Roger fa tsy maintsy hisy ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana handinihana ilay volavolan-dalàna momba ny fifidianana Ben’ny tanàna izay tsy maintsy tanterahana amin’ity taona 2014 ity. Heverina fa tena hafana ny adihevitra momba azy ity satria manana ny maha izy azy amin’ny firenena izany Ben’ny tanàna izany, ary raha ny tokony ho izy dia mila mailo tsara ny depiote mandinika ity volavolan-dalàna ity fa tsy maika hanangan-tanana fotsiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT