Ny 93% amin’ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara dia tsy manara-dalàna ary saika 98% amin’ny tanora no mirona ao anatiny,
raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny antontanisa (INSTAT). Midika izany fa miha mahazo vahana hatrany ireo sehatra tsy manara-dalàna eto amintsika. Saika ireo orinasa madinika avokoa no mitana ny ampahany betsaka amin’izany noho ny fenitra tsy voahaja. Tsara ny manamarika fa manome vahana haingana amin’ny tahan’ny tsy fananan’asa ny firoboroboan’ny fandraharahana tsy manara-dalàna io. Malalaka ny fifanarahana ara-barotra eo amin’ny lafiny toekarena sy ny fandraharahana kanefa zava-dehibe ny mitondra fomba fijery miabo entina mampivoatra ity sehatra ity. Noho io antony io no nahatonga ny Antenimeiram-pirenena hametraka sehatra manokana hisahana ny fihainoana ny hetahetan’ny mpandraharaha madinika mba hanampiana azy ireo amin’ny asa ataony, hoy Honoré Rasolonjatovo, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritany Antananarivo. Tanjona kendrena ny hanampiana azy ireo ho matihanina ary mba hisy akony mivantana amin’ny toekarena ankapobeny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.