Politique

Antenimieram-pirenena Nisavorovoro tanteraka


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Nitrangana savorovoro teny amin`ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza omaly ka tsy tontosa ny ``commission plénière" amin`ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana.

 

Efa tsy voaisa intsony ny fampatsiahivana ny fitondram-panjakana sy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana fa maro ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana. Raha ny zava-niseho, nisy ny fihetsika tsy mendrika nataon'ireo solombavambahoaka sasantsasany satria horakoraka sy siotsioka tsy nifandrenesana no nisy tao an-dapa. Amin`ny ankapobeny, lany tamin'ny tsangan-tanana ny fanekena ny fanatrehan'ireo mpikambana avy ao amin'ny governemanta ny fandaniana ny lalàna kanefa tsy neken'ireo solombavambahoaka vitsivitsy. Lany ihany koa ny tsy fanatrehan'ireo mpanao gazety izany kanefa dia nisy solombavambahoaka nanao amboletra nanokatra ny varavarana nampiditra ireo mpanao gazety ka raikitra ny savorovoro. Raha zohina, fanakorontanana teo anivon`ny Antenimieram-pirenena no nataon`ny depiote sasany. Teo ihany koa anefa ny di-doha sy fanazavana ara-teknika ary teny tsy valiana hatrany ka nanambara fa tsy misy mihitsy irika ahafahana mangala-bato satria tomombana sy manara-penitra ny fikarakarana rehetra.

Fitondran-tena

Sanatria ve ny firenena efa latsaka an-katerena ka vao mainka hiditra amin’ny kizo vaovao indray satria tsy hisy hanaiky lembenana mihitsy raha ny fihetsiketsehana sy fanambarana ataon’ireo solombavambahoaka raha zohina. Nisy depiote nilaza fa « Maimbo helika ny mpanao gazety ». Teny tsy am-piheverana angamba no nataon`ny solombavambahoaka Robertine nandritra ny fihaonana tetsy Tsimbazaza. Lasa miteraka disadisa izany rehetra izany satria mitohy amin’ny fifanaratsiana sy ny fifanenjehana  ny mpanao gazety. Mila tandremana ihany ny vava havoaka.  Efa maro ny nangataka ny fanemorana azy ity nefa tsy nisy nihaino fa dia naroso ihany. Ho sahirana ny fanjakana sy ny Ceni ary ireo fitsarana nomena fahefana handray ny fitarainana sy hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy satria miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisin’izy ireo ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena.

 


 

                                                                                                    Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT