Politique

Antenimieram-pirenena Nantsoina hifidy Birao maharitra


  • Sabotsy 03 Mey 2014

Nantsoina hivory tsy ara-potoana ny Antenimieram-pirenena. Hanomboka anio sabotsy 03 mey ny fivoriana ary tsy hihoatra ny 12 andro.

 

Ny fifidianana ireo mpikambana amin’ny birao maharitra no lahadinika amin’izany araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly. Marihina fa namoaka didy fanapahana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly milaza fa dia mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny didim-pitondrana momba ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena fa  mila atao mazava tsara ny fomba fifidianana ny filoha sy ny birao maharitra voalazan’ny andininy faha-12 andalana faha-3 sy ny andininy faha-13 andalana faha-9 ao amin’ilay didim-pitondrana.

Ny depiote Rakotomamonjy Jean Max no efa fantatra fa ho kandidan’ny PMP amin’ny toeran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, ary tombanana fa tsara toerana. Ny MAPAR etsy an-kilany dia milaza fa ny fifidianana ireo mpikambana fanampiny dia ny kestora fahatelo, ny mpampakateny ankapobeny fahatelo ary ireo filoham-baomiera telo fanampiny, no hatao fa tsy haverina manontolo ny fifidianana Birao maharitra. Hafanafana indray, araka izany, ny adihevitra eny Tsimbazaza eny manomboka anio.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT