Manana fitsipika anatiny vaovao ny Antenimieram-pirenena. Lanin’ny besinimaro ihany ny volavolam-pitsipika anatiny, enina andro taorian’ny fanokafana ny fotoam-pivoriana manokana natokana fotsiny handinihana sy handaniana azy ity.
Nanao lavalina ireo depiote ny alatsinainy 28 aprily, ary efa hisasaka ny alina vao nirava ny fivoriana tao Tsimbazaza, nandaniana ilay fitsipika anatiny rehefa nifandrirarira nandany fotoana nanontolo andro vokatry ny tsy fitoviam-pijery. Ny Mapar mangatak’andro, mbola te hifikitra amin’ny sezan’ny Birao maharitra, ny PMP nefa efa dodona handrombaka seza vaovao ao amin’ny Birao maharitra, ary dia nasehon’izy ireo omaly fa izy ireo no maro an’isa ao Tsimbazaza.
Nisy ny komity manokana nandravona mialoha sy nitondra fanitsiana tamin’ireo andininy sy toko ary fizarana ao anatin’ilay volavolam-pitsipika nialoha ny nandrosoana azy hankatoavina nandritra ny fivoriana nitambaram-be. Misy andininy 223 ilay fitsipika anatiny. Anisan’ny fanavaozana ao anatiny ny hampitomboana ho telo ny isan’ny “Questeur”, ny hisian’ny mpampakateny, ny hampitomboana isa ireo “Assistant parlementaire”. Halefa eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ilay fitsipika anatiny vao nankatoavin’ireo depiote ity, hohamarinina raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Miandry ny valin-tenin’ny HCC ny tohin’ny fivoriana eny Tsimbazaza na tsia.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.