Nizotra amin’ny efa nanombatombanan’ny rehetra azy ny toe-draharaha eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny ka hita soritra ny nahatonga ny fihisaran’ny fitsanganan’ireo vondrona parlemantera isanisany teny.
Mbola niady varotra amin’ny fidirana ao anatin’ny vondrona parlemantera indray ireo solombavam-bahoaka tsy lany tamin’ny alalan’ny antoko politika sy ireo vitsy an’isa tsy afaka manangana vondrona ho azy manokana. Ny hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha tamin’ireny fiedinedin’olon-tsotra akaikni’ny fitodrana teny amin’ity Lapa ity ireny tamin’ity herinandro ity. Omaly zoma takariva dia fantatra fa tafatsangana ny vondrona parlemantera HVM izay ho tarihan’ny depiote Razafindrafito Lova Narivelo, tsy miankina avy any Ifanadiana mpikambana ao amin’ny UDI. Saika mbola ny avy amin’ity UDI ity avokoa aloha no mandrafitra ity vondrona ity hatreto fa nolazain’ny depiote Lova fa misokatra ho an’ny rehetra ary hanohana tanteraka ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.