Politique

Antenimieram-pirenena Mody milamina, fa ny kobay an-kelika ihany


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Raha tazanina ety ivelany dia toa milamina tsara ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena eny ao anatin’izao famaramparanana ny fivoriana ara-potoana voalohany natrehan’ireo depiote vaovao izao.....

Niteraka ady mangatsiaka teo anivon’ireo depiote samy manana ny firehan-kevina anefa ilay resaka fanoloana an’ireo mpikambana tao amin’ny birao maharitra notarihan-dRamatoa Razanamahasoa Christine izay tsy tazana intsony mihitsy teny Tsimbazaza taorian’ny nanonganana an-kolaka azy teo amin’ny toerany, nefa azo antoka fa mandray ireo zo tahaka ny raisin’ireo namany rehetra ihany. Ireo namany indray na dia nisy niverina ihany aza dia vao mainka nizarazara hevitra be ihany ka ao ny nanaraka ny lamin’ny mpitantana vaovao ary niditra anaty rafitra lasa filohana vaomiera sy kestora mihitsy aza. Nisy kosa anefa ireo izay mikatsaka paikady hafa mihitsy rehefa mba tazana harivariva teny amin’ity Lapa ity tahaka ny tamin’ny talata lasa teo ka nahavita nanangon-tsonia hanonganana ireo mpikambana anaty birao maharitra tarihan’Atoa Rakotomamonjy Max filoha am-perinasan’ity rafitra ity. Dia heno teny an-toerana koa anefa fa misy mikononkonona fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra Kolo Roger sy ny governemanta tarihany eny. Izay fahamarinany dia azo porofoina anio eny Tsimbazaza amin’ny fiatrehan’ny governemanta faramparany an’ireo solombavambahoaka anio alakamisy 3 jolay mialoha ny hikatonan’ny fivoriana ara-potoana voalohany voalaza ery ambony amin’ny zoma izao. Hatreto aloha, ny zava-misy hita sy atrehan’ny mpanao gazety maso mihitsy dia misy ny fofom-bola mieloelo foana miendrika fanambatambazana depiote tsy tapaka ivelan’ny karama sy ny zon’ireo solombavambahoaka isam-bolana toy ny fahana sy taratasin-tsolika eny amin’ity Lapan’ny Antenimieram-pirenena ity. Ny efitrano fivoriana, rehefa resadresaka tiana dia mba fenofeno fa amin’ny ankapobeny dia toerana bangabanga foana no azon’ny sarin’ny mpanao gazety matetika ka maro ireo lalàna voatery haverina holaniana noho ny tsy fahatrarana lava ny fetr’isa hahazoana mandany azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT