Ohatra ny manahirana be ny mijery ny antenimieram-pirenena teo aloha, hany ka toa kivikivy ny olona, hoy ny mpahay lalàna, Lisy Ralitera,
raha nanontaniana ny antony mamparisarisa ny olom-pirenena sy ireo kandida ho depiote hiomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana ankehitriny. Misy resaka politika tsy milamina ny fijeriko ny ao amin’ny antenimieram-pirenena ao, hoy ity kandida ho solombavambahoaka ity. Misy politika vaovao tokony hapetraka, hoy izy. Ankoatra ny fepetra apetrak’ireo mpikarakara fifidianana any anatin’ireo dosie takiana ankehitriny dia tokony hisy sivana hafa eo amin’ny lafiny fahaizana sy fahavononana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.