Araka ny and. faha-75 ao anaty lalàmpanorenana dia misy ny fampiantsoana fivoriana ara-potoana, haharitra 60 andro, izay atrehin’ireo solombavambahoaka.
Omaly no nipetraka teo amin’ny sezany hahafahana mametraka ireo adihevitra mafàna eo amin’ny fandinihana ireo volavolan-dalàna maro samihafa eo anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Teboka dimy lehibe no hisongadina ao. Eo ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana entina hiasana amin’ny taona 2020. Ao anatin’izany no hamaritana ny fandaniana maro samihafa hatao mandritra ny taona ataon’ny fitondram-panjakana. Efa nangataka tany amin’ny governemanta izy ireo mba ho tonga aloha eny anivon’ny Antenimieram-pirenena izany. Manana adidy ny solombavambahoaka handinika lalina ny hampifandray sy hampifanandrify io volavolan-dalàna io amin’ny politikam-panjakana ankapobeny ka tsy hisalasala ny hanitsy. Ny fanohizana ny fanatanterahana ny fitsipika anatiny ho an’ity andrimpanjakana ity. Tokony hananganana haingana ny “commission de levée de l’immunité parlementaire” izay voalazan’ny and. 111 ao amin’ny fitsipika anatiny. Ny fanendrena ireo solontenan’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana eo anivon’ny Fitsarana ambony (HCJ) araka ny voalazan’ny and. faha-36 sy ny andalana faha-4 ao anatin’ny lalàmpanorenana, ny and. faha-200 ao anatin’ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena. Ny teboka manaraka hodinihana ao dia ny fifandraisan’ny Antenimiera amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny minisitera, ny fiarahamonim-pirenena… Ny mahakasika ireo lalàna mifehy ny fanoherana, ny serasera, … Eo ny volavolan-dalàna manova ihany koa ny satan’ny mpanohitra izay tsy vita mazava ny mahakasika azy fa mbola hodinihina. Maro ny adihevitra tokony handeha ao. Mitodika eny Tsimbazaza ny mason’ireo mpanara-baovao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.