Politique

Antenimieram-pirenena Malagasy Notsidihan’ny vahiny hafa kely


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Vahiny hafa kely, raha izay no azo hilazana azy, no nitsidika ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza omaly dia ireo delegasion’ny parlemanta Anglisy notarihan’ny parlemantera avy amin’ny antoko “conservateur” Anglisy,

 Tim Loughton, ary nahitana olona 7 hafa (parlemantera sy teknisiana tsotra) niaraka taminy. Fa raha vita ny fitsidihana sy fifampiresahana tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Malagasy nataon’izy ireo dia nihaona tamin’ireo filohana kaomisiona sy solontenan’ireo solombavambahoaka Malagasy tao amin’ny efitrano fivorian’ny birao maharitr’ity parlemanta Malagasy ity ary nifanakalo hevitra tamin’izy ireo naharitra ary avy eo dia mbola nanatrika ny fivoriambe nandaniana ny “ordre du Jour” vaovao narafitry ny Antenimieram-pirenena Malagagasy manomboka  ny 06 novambra 2017 ka hatramin’ny 04 desambra 2017. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Antsiranana, ny depiote Mahazoasy Freddie tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly fa tafiditra ao anatin’ny politika fandraisana sy fanamafisana ny fifaneraserana ataon’ny parlemantera Malagasy amin’ny parlemantera vahiny izao fihetsika nandraisana ny parlemantera britanika izao. Mba hampahafanatarina ny vahoaka ny ataon’ny parlemanta solontenany amin’ny ankapobeny. Nifanakolazana teto Tsimbazaza ny fampahafantarana ny zava-misy any Grande Bretagne sy eto Madagasikara tamin’ny ankapobeny. Noresahina koa ny resaka toekarena, sosialy, lalàna, ny ankizy, ny fitandroana ny filaminana mandritry ny fotoam-pifidianana ary voaresaka koa farany ny amin’ny vina fananganana ny “Groupe d’amitié parlementaire Grande Bretagne-Malagasy”.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT