Maty hasina tanteraka ny antenimieram-pirenena Malagasy noho ny ataon’ireo solombavambahoaka miasa ao aminy.
Toa tsy solontenam-bahoaka hitatitra ny hetahetany sy hibaiko ny mpanatanteraka hanao zavatra hampandrosoana ny firenena intsony no hita eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza fa vondron’olona hitady tombontsoa manokana ny ankamaroany. Sarintsariny sy fombafomba sisa ny mitatitra hetahetam-bahoaka. Karazan-tsinema samihafa no tena miseho, toy ny fanangonan-tsonia hanonganana ny governemanta. Avy eo miato kely indray ny fanangonan-tsonia noho ny antony tsy fantatra dia mangina ny raharaha. Misy depiote miady sy mifamango eny antsefatsefany eny ary mampiseho toetran-jiolahimboto. Mandeha ny fivoriana, kanefa mivoaka miditra tsy misy fifanajana ireo solombavambahoaka ary misy aza tsy tonga mamonjy fivoriana mihitsy nefa tsy misy bedy. Ny tena zava-doza dia lany tsy misy fanitsiana ny tetibolam-panjakana 2018, ary ao anatin’ny fotoana fohy no handaniana lalàna an-jatony pejy. Mitabataba amin’ny governemanta anefa avy eo amin’ny zavatra tsy vita rehefa mandeha ny tatitra. Tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny zava-drehetra kanefa dia mandokadoka fanjakana no tena ataon’ny ankamaroany. Sao dia tsy mahavoa mandinika lalàna tokoa ary ireto solombavambahoaka Malagasy ireto ka tokony hasiana fepetra amin’izay ny firotsahana hofidiana amin’ny manaraka ? Ny efa niaraha-nahita sy niainana hatramin’izay dia ny fitadiavana malety, fitakiana fiara tsy mataho-dalana. Izay no tsy mahataitra ny fahefana mpanatanteraka. Ny raharaha Claudine Razaimamonjy tsy misy resaka, ny boaderozy Singapour nangina, kanefa volam-panjakana firy miliara no very am’izany ? Izay izany ilay hoe samy manao izay hihinanany, fa izay vahoaka any efa ela no natao fitaovana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.