Tao anatin’ny lanonana tsotra nanaovan’ny filohany Jean Max Rakotomandimby kabary fohy dia fohy omaly alarobia 21 martsa no namaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana faha-2 an’ity andrim-panjakana ity tamin’ity taona 2018 ity ka nanambarany
tamin’ireo depiote nisongadinan’ireo mpanohana ny fitondrana no nameno ny trano nefa nahitana depiote Tim vitsivitsy sy depiote Mapar 3 ary ny Sg sy ireo mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny minisiteran’ny serasera mirahalahy. Raha tsorina dia tsy nahafeno ny isa 78 sy 80 nanangan-tanana tamin’ny fivoriana natrehana tamin’ny talata teo intsony tao an’efitrano. Nomarihan’ny filoha Jean Max, tamin’ny kabary nataony fa 5 tamin’ireo volavolan-dalàna 12 voarain-dry zareo tamin’ity fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny taona 2018 ity no nolanian’ireo depiote, 3 no tsy lany, 2 hafa tsy nangalana fanapahan-kevitra mihitsy ary ireo volavolan-dalàna fehizoro 3 mikasika ny lalàm-pifidianana kosa dia hodinihana amin’ny fivoriana tsy ara-potoana faha-3 izay tsy maintsy hisy, hoy ihany ingahy Jean Max, fa aorian’ny famonjen’ireo solombavambahoaka ny fetin’ny paska 2018 any amin’ny toerana misy azy avy izany ary dia hokarakaraina manokana ny saran-dalan’izy ireo amin’izany, araka ny filazany. Novoizina tamin’ity lanonam-pamaranana fivoriana ity ny tokony handalan’ireo depiote ny fitoniana sy ny firaisankina tanteraka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.