Politique

Antenimieram-pirenena Ho raikitra ny totohondry anio …


  • Talata 20 Martsa 2018

Ahiana ny savorovoro goavana eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza anio. Nanizingizina ny praiminisitra Solonandrasana omaly fa tsy maintsy holaniana anio talata 20 martsa ny volavolan-dalàna momba ny fifidianana mba hanajana ny tetiandro.

 

 Etsy an-kilan’izay anefa, hentitra ny fanambaran’ny vondrona parlemantera TIM, MAPAR, ary ny tsy miankina omaly, fa maro ny zavatra tsy ara-dalàna sy tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ao anatin’io lalàm-pifidianana io. Mahatasapa izahay fa mihemotra ny demokrasia ary mety hiteraka savorovoro sy korontana eto amin’ny firenena satria io lalàna io, dia mifono hala-bato sy faneriterena ary fanilihana ny mpifidy sasantsasany, hoy ny fanambarana niraisan’ireo depiote, izay novakian’ny solombavambahoakan’i Soanierana Ivongo Tody Arnaud. Raha toa ka lany tsy nasiam-panovana aty amin’ny antenimieram-pirenena, dia tompon’andraikitra amin’ny mety hisian’ny korontana ny fanjakana izay namolavola io lalàna io sy ny depiote izay mety voasarika noho ny antony tsy fantatra ka mifidy io volavolan-dalàna mitera-doza io, hoy izy ireo. Aoka izay ny filalaovana ny fiainam-pirenena sy ny fanabadoana ny vahoaka Malagasy, ary tokony hatsahatra ny hieritreretana ny hifikitra amin’ny seza amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Aoka izay ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana. Mitaona ny solombavambahoaka namany tsy hifidy an’io volavolan-dalàna mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia izy ireo. Manasa tanana izahay ireo raha ohatra ka tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona izay mety hitarika korontana ny zavatra mety hiseho anio, indrindra ny fampandaniana io lalàna mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana io, hoy izy ireo.

Maro ny fanitsiana

Anisan’ny nanaovan’izy ireo fanitsiana ny momba ny taratasy ara-pitsarana na  “Bulletin n°2”, izay tsy azon’ny rehetra alaina, izany hoe mety hisy olona hailika ao. Ny resaka hetra sy ny haba dia samy hafa ny « personne morale » sy « personne physique ». Tsy mety ihany koa ny fotoana hanaovana propagandy 7 andro amin’ny fihodinana faharoa. Bileta tokana ihany no ampiasaina amin’ny fihodinana voalohany sy faharoa fa tsy mihemotra hampiasa bileta an’olon-tokana. Mila resahina tsara sy hifampidinihana ny famatsiam-bola momba ny fifidianana, ny fampielezan-kevitra, ny resaka haino aman-jery, ny lisitry ny mpifidy. Aoka tsy hiziriziry, ka hanao fomba mamohehitra hampandaniana ny lalàna fa miankina ny ho avin’ny firenena ity, hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT