Ny tena mahasarika ny sain` ny mpanara-baovao momba ny fifidianana depiote hatreto dia ny anaran’ireo kandidà manohana ny Filoham-pirenena.
Misy ireo kandidà no misora-tena, misy no milaza fa hanohana sy hiditra amin`ny vovonana hanohana ny filoha raha toa ka lany, toa an` i Randriarimalala Harijaoana na Jaona “Elite” izay hiverina hisedra ny safidim-bahoaka. Nirotsaka amin`ny anaran` ny tsy miankina ny tenany ka anisan` ny ho mpifaninana eny amin` ny distrikan` Atsimondrano. Tsy zoviana ny besinimaro ity depiote ity ary nampiteny ny anarany mihitsy nandritra ny fe-potoam-piasana farany teo fony izy filohan’ny vondrona parlemantera HVM, ary nalaza tamin’ilay resaka horonan-tsary mirakitra fizarana vola tao anaty efitrano. Raha ho an` ity distrika ity dia ho kandidà ao anatin` ny vovonana manohana ny Filoham-pirenena ihany koa i Andry Ratsivahiny, izay nandrenesam-peo ihany koa fa olona manana dosie tsy dia milamina. Mbola misy maromaro ireo kandida amin’io fifidianana ho tanterahana ny 27 mey io no malaza ratsy any amin’ny toerana misy azy ireo; ary efa resaka isan’andro any anaty fiarahamonina ny hoe : ataon-dry zareo lapa fialokalofana ny eny Tsimbazaza; sarotsarotra mantsy ny misambotra na manadihady solombavambahoaka am-perinasa izany eto Madagasikara noho ny fiarovan’ny lalampanorenana azy ireo.Milaza tokoa mantsy ny andininy faha 73 ao amin’ny lalampanorenana fa tsy misy solombavambahoaka azo henjehina, samborina, tazonina am-ponja na tsaraina noho ny fanehoan-kevitra na ny safidy nataony mandritra ny fotoam-piasany…tsy azo henjehana na samborina noho ny fandikan-dalàna na heloka mety nataony mandritra ny fotoam-pivoriana ny solombavambahoaka raha tsy mahazo alalana avy amin’ny antenimieram-pirenena, na koa tratra ambodiomby.Mbola io andininy io ihany no milaza fa tsy maintsy mahazo ny fahazoan-dalan’ny birao maharitra vao azo henjehana na samborina ny solombavambahoaka iray ivelan’ny fotoam-pivoriana, raha tsy hoe tratra ambodiomby angaha.Fehiny tsara fiarovana noho io andininy io ny solombavambahoaka ka mety ho izay ve no maha maika ny sasany tena manao fivarotan-tena ara-politika sy te ho sakaizan’ny mpandresy ary handany vola aman-karena hiditra ao ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.