Nanomboka omaly alarobia 30 janoary tamin`ny fomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany teo anivon`ny`parlemantera roa tonta.
Ho an`ny Antenimieram-pirenena, nitarika ny fivoriana ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy. Nambarany fa zava-dehibe ny andrim-panjakana mpanao lalàna ary nomarihany fa azo atao tsara ny mandray fanapahan-kevitra amin`ny adihevitra rehetra mitsinjo ny soa ho an`ny firenena amin`ny tokony hanampiana ny fanjakana. Nasiany teny koa ny asa miandry manoloana ireo loza ara-boajanahary misy eny amin`ny vahoaka, toy ny kitrotro, tondra-drano, olona namoy ny ainy ka nanentanany ny governmanta handray andraikitra. Niarahaba ny solombavambahoaka nandray ny asany indray izy izay nanao andraikitra hafa teo aloha. Ny fivoriana toy izao dia efa fantatra mialoha, araka ny fampiantsoana ny governemanta, Ny volavolan-dalàna voalohany dia ny fanomezam-pahefana amin`ny filoham-pirenena, hampihatra amin`ny alalan`ny didy hitsivolana ny anjaran`ny lalàna satria hifarana andro vitsy ny fe-potoam-piasana eo amin`ny Antenimiera. Manome fahefana ny filoham-pirenena hisahana ny andraikitry ny solombavambahoaka ho fanatanterahana ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana no anisan`ny antony nampanantsoana fivoriana tsy ara-potoana ho an`ny parlemantera. Eo ihany koa ny fanovana ny andininy sasantsasany amin`ny volavolan-dalàna fehizoro misahana ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana amin`ny ankapobeny. Miteraka adihevitra be eo amin`ny samy depiote izy io saingy tsy misy ny fanehoan-kevitra mahakasika izany. Efa am-perinansa ny eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`ny alalan`ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera satria nodinihana omaly tolakandro ny fandaharam-potoana mandritra ity fivoriana farany eny Tsimbazaza ity. Anio no hanomboka handinika ireo lahadinika ny Antenimieram-pirenena ary ahiana hafana ny m
aripana eny amin`ny lapan`i Tsimbazaza.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.