Politique

Antenimieram-pirenena Hanova fomba fiasa


  • Alarobia 18 Janoary 2017

Tanteraka ny marainan’ny talata 17 janoary teo, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza,

ny lanonana tsotra fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny birao maharitra eny amin’ity rafi-panjakana ity notarihan’ny filohany sady filohan’ny Antenimieram-pirenena, Rakotomamonjy Jean Max sy ireo mpiasa rehetra aminy notarihan’ny Sekretera Jeneraly, Atoa Befourouack William , izay nanolotra ny fiarahabana ireo mpitantana ity Antenimieram-pirenena ity sy ny fianakavian’izy ireo avy nahatsipaka ny taona 2016 ary tratran’ny taona vaovao 2017 an-kafaliana  tamin’ny anaran’ireo mpiasa rehetra eo ambany fiadidiany. Nisy ny fanolorana vorontsiloza tsirairay ho an’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra noho ny tonon-taona tahaka izao ary maniry ny hisian’ny fivoahan’ny rehetra hiara-mikorana ivelan’ny Lapa fiasany ireto mpiasa ireto. Neken’ireo mpitarika rehetra ny fangatahana ary nomban’Atoa Jean Max hafatra fohy dia fohy dia ny hoe : hanova filamatra eo amin’ny fomba fiasa ny Antenimieram-pirenena amin’ity 2017 ity ka ny rehetra miara-miasa ka samy mahatanteraka ny anjara asany no antoky ny fahombiazana ao amin’io toerana io ary manan-jo hisitraka  ny « renforcement de capacité » ny tsirairay avy tsy  an-kanavaka.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT