Teboka roa goavam-be ho an’ ireo solombavambaoaka no tsy maintsy hodinihana eny anivon’ ny Antenimieram-pirenenaamin’ ity herinandro ity. Voalohany, ny fandiniihana ireo mpikambana eo anivon’ ny Fitsarana avo na “Haute Cour de Justice”.
Anio, talata 29 oktobra 2019, no handinika ireo izay ho solotena anatin’ izany vaomiera handray ny fitoriana sy hanadihady ireo fitoriana tompon’andraikim-panjakana ambony toy ny filoham-pirenena, praiminisitra…. Andrasanaraha ho voasolotena ao anatin’ izany vaomiera izany ireo vondrona parlemantera rehetra enyTsimbazaza. Anisan’ io andraikitr’ io vaomiera io ny fijerena ny famolavolana ny fampiangana. Ny teboka lehibe faharoa dia ny fananganana ny komisionina hisahana ny fanesorana ny zo tsy azo henjehina, izay hodinihana ny alakamisy 31 oktobraizao. Marotokoamantsyireoparlemantera no mialokalokaaoambadik’ io zo tsy azo enjehina io. Tsy misy mantsy fisamborana azo atao raha tsy miala ny zo tsy azo enjehina. Eo anivon’ ny Antenimiera ny fomba hanalana izay zo tsy azo enjehina izay. Amin’ ny alalan’ ny fivorian’ ny vaomiera manokana mandinika ny mampitombina na tsia ny fangatahana izany. Manapaka ny amin’ izay fanalana ny zo tsy azo enjehina na tsia ny birao maharitry ny Antenimiera fa tsy ny filohan’ ilay andrimpanjakana irery, raha tsy ao anatin’ ny fivorian’ ny Antenimiera ny raharaha. Araka izany, hiompana amin’ ny ady amin’ ny tsimatimanota ny fivoriana eo anivon’ ny Antenimieram-pirenena ary tsy maintsy ho dinihana akaiky. Ny masotsivana araka ny nambaran’ ny mpikambana iray eo anivon’ ny birao maharitra dia olona tokony hanana fomba fijery mazava sy tsy mitongilana no tokony hipetraka amin’ ireo vaomiera ireo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.