Politique

Antenimieram-pirenena Hafana ny fivoriana ara-potoana voalohany


  • Zoma 29 Aprily 2016

Hisokatra amin’ny talata 03 mey 2016 ho avy izao ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena. Hafakely izy amin’ity indray mitoraka ity

 

, satria dia hifanojo amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Asa na noho izay antony izay no nandraisan’ny fitondrana fanapahan-kevitra tamin’ny filankevitry ny minisitra voalohany nandraisan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier anjara, taorian’ny nanendrena azy amin’io toerana io, fa dia ho anisan’ny lahadinika amin’ny fotoam-pivoriana voalohany io ny fandinihana ny lalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety (Code de la communication) eto Madagasikara, izay efa faha minisitra Betsimifira Fredo tamin’ny 1998 no niresahana an’izany, ary tsy mety mahita masoandro hatramin’izao. Mbola kononkononin’ny fitondrana any moa ny volavolan-dalàna momba azy io. Na izany aza, hafana ny adihevitra eny Tsimbazaza satria misy andiana depiote mpanenjika mpanao gazety manao izay tsy hahatafavoaka an’io “code” io, fa manohintohina azy. Hanampy ny adihevitra eny Tsimbazaza ihany koa ny manodidina ny fanendrena praiminisitra Mahafaly Olivier sy ny fiakaran’ity farany hanolotra ny fandaharanasa ankapoben’ny fanjakana manoloana ny depiote sy ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana. Hatao batemy amin’izany adihevitra izany ireo depiote roa vaovao Andriamifalisoa René Rakotonirina, MAPAR, avy any Fandriana sy Andriamoratia Ludovic Edmond, MMM, avy any Betioky-Atsimo manolo an-dRaharimalala Toto Marie Lydia sy Rabenirina Jean Jacques, izay voatendry ho minisitra ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier, araka ny fanapahana laharana faha-7-HCC/AR ny 27 aprily 2016 navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT