Anarany fotsiny tahaka an’ilay kianjan’ny demokrasia etsy Ambohijatovo sisa ny anarana Lapan’ny demokrasia eny amin’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza.
Malaza tsy hihinanana tahaka ny lovian-tsahona sisa ny anarana nomen’ireo solombavambahoaka azy io. Marihina fa raha vao misy adihevitra mafana ka hisehoana tsy fitovian-kevitra mifanipaka tanteraka miseho eny amin’ity lapa ity dia mailaka ery ireo depiote milaza fa : « izay no maha lapan’ny demokrasia ny ety Tsimbazaza ». Omaly alarobia 6 jolay mantsy dia nandeha ny baiko avy amin’ny filohany am-perinasa fa tsy azo hidiran’olon-kafa ankoatra ireo depiote ny lapa omaly na dia fantatra aza fa hisy fivoriana hitambarambe ho azon’ny rehetra hatrehana hiseho. Nosakanana hatreny amin’ny vavahady fidirana mihitsy ny olona, indrindra ny mpanao gazety mpitrandraka vaovao ary narahina teny nanao hoe : « na handohalika eo aza ianareo tsy ho tafiditra ao mihitsy ». Dia nandohalika ny mpanao gazety ka nisy ny navela haka sary tety ivelan’ny fidirana ny lapa nefa dia narahana miaramila mitam-basy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.