Ny raharaham-pirenena ankehitriny dia ahitana taratra fa sarotra ho an’ ny antokom-panjakana (TGV, Mapar, IFi, IRD) no hahazo ny maro an’ isa eo amin’ ny Antenimieram-pirenena.
Mbola sarotra no hanana fanjakana marin-toerana satria ahiana tsy ho voafehy ny Antenimieram-pirenena. Antony dia tsy ny olon’ ny antoko no betsaka fa ny tsy miankina. Ahiana mbola hitovy amin’ ny fanjakana Rajaonarimampianina ihany no hitranga eto. Olona tsy mpanao politika no nalain’ ny antoko politika ho kandidàny amin’ ireo faritra sasany. Misy ireo mpanao politika voahilika tao anatin’ ny antoko dia lasa nirotsaka hofidiana amin’ ny anaran’ ny tsy miankina. Ny ankamaroan’ ny tsy miankina koa dia tena mpandraharaha manam-bola. Manam-bola afaka mifanandrina amin’ ny antokon’ ny fitondrana. Tsy azo adinoana ihany koa fa mbola manjakana ny antoko Tiako I Madagasikara amin’ ny faritanin’ Antananarivo. Na dia nanjaka aza ny Filoha Rajoelina tany amin’ ny faritra dia maro ny mpikambana mpomba ny fanjakana no lasa nandeha irery. Midika izany fa ho sarotra ny fandaniana volavolan-dalàna ao Tsimbazaza ao. Ka hiditra amin’ ny resaka malety sy kolikoly isan-karazany indray ary ve ary ho tonga ihany koa amin’ ny resaka fitsipaham-pitosikasana sy fampitsaharana ny asan’ ny Filoham-pirenena toa ny nitranga teo aloha ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.