Efa voarainay ety amin’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny fotoam-panokafana an’ity fivoriana tsy ara-potoana voalohany amin’ity taona 2018 ity ilay volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana, hoy ny filoha lefitr’ity Andrim-panjakana Faritany Antananarivo,
ny depiote Hanitra Razafimanantsoa tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly talata 6 martsa 2018 teny Tsimbazaza. Amin’ny zoma izao no feno 12 andro ity fivoriana atrehanay ity, hoy izy, nefa ny lalàna mametra fa tsy azo handraisana fanapahan-kevitra raha tsy feno 15 andro no nandraisanay depiote azy io. Mazava ho azy izany fa amin’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa izay tsy maintsy hisy no handinihanay manontolo ny amin’ity volavolan-dalam-pehizoro momba ny fifidianana ity.
Omaly talata teny Tsimbazaza dia depiote niisa 34 no tonga namonjy ny fivoriana nitambaram-be ary nandany ny volavolam-pandaharam-potoam-pivoriana naroson’ny birao maharitra sy ny nankatoavin’ny “conférence des présidents” ary nihaino ny tatitra nataon’ny depiote Aina, depiote Frantsay teratany Malagasy mandalo eto amintsika vao avy noraisin’ny filoha Jean Max Rakotomamonjy ka nanipy hevitra ny hananganana groupe d’amitié parlementaire Franco-Malagasy. Misongadina ao anatin’izany fandaharam-potoana izany ny handanian’ireo depiote ny volavolan-dalàna 2 izay efa nolanian’ny Antenimierandoholona sy ny fandehanan’ireo solombavambahoaka isanisany hamonjy ny 8 martsa any amin’ny toeram-piaviany avy ary mialoha ny famaranana ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana voalohany ny zoma 9 martsa tolakandro izao dia hisy ny fambolen-kazo hataon’ireo depiote andriambavilanitra eny amin’ny sehatra maitso eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza eny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.