Tsy azo ihodivirana ny hirosoana amin’ny fifidianana solombavambahoaka, izay efa voafaritra mazava fa ny 27 mey ho avy izao no hanatanterahana azy.
Lasa sady mpandidy no mpanapaka rahateo ny filoham-pirenena ankehitriny, ka toy ny efa mpanjaka kely. Sady mpanao lalàna no mpanatanteraka, filohan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara, filoha farantampon’ny foloalindahy,… ka afaka manao izay tiany atao, fa tsy misy mpanara-maso intsony satria ny andrim-panjakana tokony hanara-maso ny mpanatanteraka dia ny antenimieram-pirenena tsy misy intsony. Ny 26 febroary hatramin’ny 12 martsa ny fandrotsahana dosie ho an’ireo izay hifaninana hofidiana depiote. Adihevitra mipetraka kosa ny mahakasika ilay antoka volabe 5 tapitrisa ariary, raha toa ka 4 hetsy ariary tany aloha. Ao ny miteny, fa efa famerezan-jo io ka natao ho an’ny mpanam-bola ihany ny firotsahana ho depiote. Mety ho mason-tsivana ihany koa anefa io mba hamerana ireo kandida mety mitsapatsapa fotsiny. Mety hitarika fihemorana ho an’ireo sasany mihevitra ny ho kandida ny anto-bola midangana. Ny fampielezan-kevitra ihany koa etsy an-daniny mbola ho mafy. Ny mpibizina sy ny mpanao afera no manam-bola eto, ary mety tena hahazo vahana eo anatrehan’izany satria isan’ny fomba fiady eto amintsika ny mikatsaka fahefana hahazoana zo tsy azo henjehina hanamorana ny afera maloto. Ankehitriny, ohatra, dia misy depiote teo aloha voatonona amina aferana boaderozy. Mazava ho azy avy eo raha ny antenimieram-pirenena no misongadina amin’ny kolikoly. Nalaza tamin’ny andron’ireo depiote farany teo ny malety, ny raharaha kolikoly nandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana,… izay nitarika ny fidinana an-dalambe tamin’ny aprily 2018. Hisy ny fiovana sa hitohy ny afindrafindrao tsy azo avela ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.