Politique

Antenimiera mpanao lalŕna Mitohy ny «ping-pong»


  • Alarobia 24 Aogositra 2011


 Lany teny anivon’ny fivoriana nitambaram-ben’ny Kongresin’ny tetezamita omaly ilay volavolan-dalana mirakitra ny tolo-kevitra ny amin’ny hanasarahana ireo vata fandatsaham-bato amin’ny fiatrehana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna an-daniny sy ny Lehiben’ny Faritra sy mpanolontsaim-paritra an-kilany na dia notazonina ho andro iray ihany aza no handatsaham-bato amin’izy ireo.

Dia nalefa fanintelony na faninefany eny amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita eny Anosikely omaly hariva ihany ity volavolan-dalàna ity ho dinihan’ireo CST. Dia mbola hiakatra eny Tsimbazaza indray izany avy eo raha mbola misy fanitsiana ataon-dry zareo ao Anosikely vao tena ho raikitra ho lalàna velona. Mitohy ny «ping-pong» ho an’ireto mpanao lalànan’ny tetezamita ireto ka tsy mahagaga raha mbola mieritreritra ny hangataka fivoriana tsy ara-potoana faha-4 indray ry zareo raha ny heno teny Tsimbazaza hatramin’ny alatsinainy niatombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana faha-3.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT