Hanamarika ity volana martsa ity, ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana iny, ny fanaovan-tsonia fifanekem-pihavanana eo amin’ireo Ampanjakan’ny foko Antefasy sy Zafisoro ao Farafangana.
Hotanterahina amin’ny 18 martsa 2016 izy io, ary andrasana any an-toerana hanotrona an’izany ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean.
Efa hatramin’ny herinandro lasa iny ny fifanatonana ho fanomanana ity fifanekem-pihavanana ity, izay hatao eny am-pidirana an'i Farafangana. Saotra no hatao amin’io andron’ny 18 martsa io. Hisy famonoana omby, arahin’ny fifanaovan-tsonia ny fifanekem-pihavanana eo amin’ireo Ampanjaka fitolahy telo troky avy amin’ny Antefasy sy ireo Ampanjaka enindahy telo troky avy amin’ny Zafisoro.
Foko roa nifandrafy ny Antefasy sy Zafisoro tamin’ny taona 1990. Ady tanimbary no niandohany, avy eo niitatra ka nifanafika, nifandoro trano. Nisy maty mihitsy tamin’izany ary tsy nifanambady ny taranaky ny Foko roa taona. Nisy hatrany ny hetsika ara-pombandrazana nampifanatonana ny roa tonta, saingy mijanona ho ady mangatsiaka hatrany izany, ary mbola hita taratra amin’ny fanendrena olom-panjakana. Antesaka no natao lehiben’ny Faritra mba tsy hifandroritan’ny Antefasy sy Zafisoro.
Mbola taratr’izany koa ny fanendrena ny Prefen’i Farafangana sy ny Sekretera jeneralin’ny prefektora. Avy amin’ny Zafisoro ny iray, ary Antefasy ny faharoa. Handamin-javatra ve ny hetsika hatao amin’ny 18 martsa sa hisy hanararaotra politika indray ? Vao tamin’ny fikarakarana mantsy dia efa misy mingonongonona sahady fa tsy mba anisan’ireo nantsoina hidinika ireo « cadres » avy amin’ny Foko ilany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.