Politique

Antaninarenina Be no voaelingelina omaly


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Efa ho roa andro izany izao no voaelingelina ny toeram-piasana sy orinasa maro teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy.

 Ny alatsinainy lasa teo aloha dia nisy ilay trakta sy vaovao niparitaka be tamin’ny tranokala nilaza fa misy andian-jiolahy 5000 lahy hanapotika sy handroba ary hamono olona, miainga eny Tanjombato. Omaly indray dia nikatona ny lalana tamin’iny faritra Antaninarenina, Ambohitsorohitra sy ny manodidina iny, noho ny fanateram-boninkazo natao teo amin’ny tsangambaton’ny 7 febroary. Noho ny ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny korontana na savorovoro dia nisy ny toeram-pivarotana sy birao voatery nanakatom-baravana omaly maraina teny Antaninarenina teny. Tahaka izao ary ny hevitry ny raim-pianakavana iray momba ity fanelingelenana ny fahafahana sy ny asa fitadiavan’ny sasany ity. «Azo natao tamin’ny endriny hafa ny fahatsiarovana ny 7 febroary, fa tsy voatery nanaovana fihetsiketsehana be tahaka ireny. Azo natao tsara ny fanateram-boninkazo, dia niditra tao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny rehetra, dia tao no natao ny kabary isan-karazany, dia samy mba milamina amin’izay. Fitoniana no tadiavina izao, kanefa toa tsy mitsahatra ny manome fanafintohinana ny hafa i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy».

Fa mba manana ny fomba fijeriny ny zava-nitranga omaly teny Ambohitsorohitra sy Antaninarenina iny ihany koa ny renim-pianakaviana iray. Hoy indrindra izy : «Mba mampalahelo ihany ny zava-misy eto. Rehefa ny ankolafy Zafy no hanatitra voninkazo teny Ambohijatovo dia norarafana lakrimozenina, fa rehefa i Andry Rajoelina sy ny AV7 no hanao izany eny Ambohitsorohitra, manoloana ny lapam-panjakana, ao anaty faritra mena dia navela malalaka ary natao hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana, sy ny fiarovana ireo rehetra nivorivory. Amiko dia tena fanaovana tsinontsinona ny hafa izany. Miangatra ny FAT ary tsy menatra mihitsy mampiseho izany. Ary nahoana koa moa no tsy mba nasiana fahatsiarovana manokana ireo maty sy naratra noho ny Alatsinainy Mainty 26 janoary e ? Tsy mahagaga raha tsy mety mivaha ny krizy, satria ilay filoha mihitsy no mampidi-kizo ny firenena sy tsy te hahalala ny hafa».

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT