Arakaraka ny hanatonan’ny datin’ny zoma 25 oktobra 2013, fotoana hanehoan’ny olom-pirenena malagasy ny safidiny amin’ny fifidianana filoham-pirenena hitondra azy hivoaka amin’ny fahasahiranana sy ny krizy lalina nandritra ny 5 taona latsaka no vao mainka hanaporofoan’ny Zanak’i Dada fa vonona ny hampandresy an’ny kandida Robinson Jean Louis izy ireo.
Ho an’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza, ohatra, dia niara-nientana ireo mpikambana ao amin’ity antoko ity notarihin’i Rija ny alahady 20 oktobra lasa teo nitondra fanazavan-kevitra sy nandresy lahatra ireo mpiara-monina tao amin’ny kianja fanaovam-baolina tao an-toerana handrotsaka ny vaton’izy ireo ho an’ny laharana faha-33 ao amin’ny bileta tokana izay hany dokotera mpitsabo azo antoka hitondra ny fanafody fanasitranana ho an’ny vahoaka malagasy sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hita ho velom-bolo ary tena resy lahatra tanteraka tokoa ireo izay nanatrika ity fampielezan-kevitra fampandaniana ny kandida tohanan’ny firehana Ravalomanana ity. Tsy adinon’ireo tompon’andraikitry ny antoko Zanak’i Dada ao ao amin’ity Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’Ambohidratrimo ity moa ny nampianatra ireo olom-pirenena feno taona ny fampiasana ny bileta tokana izay tena mbola manahirana ny maro tokoa. Tsy nahakivy ireto mpomba an’ny kandida filoha Robinson anefa izany fa vonona ny hanefa ny adidiny hatramin’ny farany izy ireo amin’ny fampandresena ilay mpifaninana «favori».
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.