Niavaka tsy toy ny isan’andro ny hetsiky ny Ankolafy telo omaly alakamisy 15 septambra, izay andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia.
Nisy olona, saingy tsy nandrenesan-kabary tao amin’ny Magro Behoririka, omaly. Nisy ampahany tamin’ny mpitolona tao nihazo ny toerana misy ny fifampidinihana ifanaovan’ireo vondrona politika samihafa miaraka tamin’ny iraky ny Troika eny Antanetibe Ivato. Nanamarika azy ireo ny loko manga, maro koa ireo nanao fehivava, izay fomba nentin’izy ireo nanehoana fa tsy misy demokrasia izany eto, tsy afaka maneho hevitra ankalalahana ny olona fa tapenam-bava.
Tamin’ny alalan’ny sorabaventy no nanehoan’ireo mpanao fihetsiketsehana, tamin’ny mpanelanelana vahiny teo anatrehan’ny Emmo-reg koa, ny fitakiany amin’ny hampiharana izay tapaky ny SADC tany Sandton, milaza mazava ny fiverenan’ireo sesitany politika rehetra an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Nifanandrify indrindra tamin’ny fahatongavan’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Tomaz Salomao ity hetsika teny Antanetibe Ivato ity. Nangina tsy nahitan-teny izy teo am-pahatongavana. Nijanona irery tao amin’ny hotely koa ny tenany, raha nihazo ny Lapan’Iavoloha, nihaona tamin’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina ny delegasion’ny Troika tonga eto omaly tolakandro. Ny tsikaritra dia nisy mpiambina manokana vahiny niara-dia taminy. Inona avokoa no fonosin’izany ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.