Politique

Antananarivo Tanŕna tsy milamina


  • Alarobia 25 Mey 2016

«Manohy ny asanay andavanandro izahay ary manara-maso ny fandriampahalemana eran’ny tanŕn’Antananarivo », hoy ny Jeneraly Ramarozatovo Anthony avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena manoloana ny fihetseketsehana nisy omaly teto an-drenivohitra.

 

 Omaly maraina nanomboka tamin’ny 4 ora ka hatramin’ny 5 ora sy sasany mantsy tamin’ny faritra sasantsasany teto Antananarivo toy ny teny Ankazomanga, 67 ha, Ampefiloha, Manakambahiny, Ankadimbahoaka, Ambanidia sy Ambohipo dia nahitana sakan-dalana tamin’ny alalan’ny dabam-pako sy fandorana kodiarana ka nampitohana ny fifamoivoizana. Ny Teny Ambohipo dia nambaran’ny onjam-peo sasany fa nisy hatramin’ny tora-bato. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro ny filaminana namerina ny fifamoivoizana amin’ny laoniny ka tsy ela dia niverina nirindra indray. Manamboninahitra avy ao amin’ny Emmo reg kosa no nanamarika fa manamarina ny loharanom-baovao azon’izy ireo efa ho tapa-bolana lasa izay izao zava-miseho izao. Ireo tompon’andraikitry ny Emmoreg izay nanamafy moa fa vonona ny hanamafy ny fampandriana fahalemana ny tany raha toa ka mbola misy ny mikasa ny hanakorontana. Miandràndra mafy ny mpitandro ny filaminana ihany koa ny vahoaka amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny vaky trano fa tsy hionona amin’ny fiarovana ny andrim-panjakana fotsiny ihany. Faritra maro eto an-drenivohitra mantsy ankehitriny no manjary faritra mena toy ny Fokontanin’Ambohitrarahaba sy Antanandrano, Andrononobe sy Ambodivary noho ny afitsoky ny mpamaky trano saika isak’alina izao. Tsy matory an-trano intsony ny vatan-dehilahy fa voatery miambina amin’ny alina. Mba mila fisafoana koa ireny faritra mafana amin’ny asan-jiolahy ireny fa tsy ny mpanakan-dalana sy ny mpandoro kodiarana ihany no tokony harahi-maso. Tsy azo lavina fa te hiezaka ny hanome sary miabo ny fadriampahalemana eto Madagasikara ny foloalindahy manoloana ny fandraisana ireo fivorian-dehibe maro hisesy eto Antananarivo fa toa hadinon’ny mpitondra sy ny mpitandro ny filaminana ny fitaintainan’ny mponina noho ny tsy fandriampahalemana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT