Politique

Antananarivo Renivohitra “Vitsy mpahalala ireo kandidà roa goavana”


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Manana paikadiny amin`ny fiatrehana sy handresena amin`ny fifidianana ho ben`ny tanàna ireo antoko amin`ny alalan`ireo kandidàny amin`ny distrika samihafa.

 Eto Antananarivo Renivohitra, dia efa mandroso amin`ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana indrindra ireo mpifanandrina roa goavana. Nitondra ny heviny mahakasika izany i Velo Ghislain Arsene, mpandinika ara-politika sady mpanao gazety. Nilaza izy fa ny fitsidihan`ny kandidà naroson`ny antoko TIM, Tahiry Ny Rina Andriamasinoro, any ivelany dia fanapahan-kevitra goavana indrindra mandritra ny vanim-potoanan' ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izao izay efa manomboka mafàna ny maripana. Maro no hihevitra fa safidy ratsy izany. Mety ho eny na tsia ihany koa saingy miankina ny paikady sy ny vinan`ny tsirairay. Tsy manakana kosa ny handraisana fanapahan-kevitra feno fahasahiana. Etsy an-kilany, ny kandidàm-panjakana dia mavitrika amin'ny haino aman-jery sy amin`ny fidinana ifotony eny anivon`ireo boriborintany. Paikady tokony hataon`ny kandidàn`ny TIM koa izany satria tsy mbola fantatra tsara eo amin`ny tontolo politika izy. Mitady vato ho amin'ny fifidianana eny anivon`ny boriborintany izy nefa maninona no mankany ivelany ? Ny fitadiavana famatsiam-bola aloha dia antony voalohany. Ny fanentanana an`ireo Malagasy mpila ravinahitra any ivelany (diaspora) kosa dia lamina maty paika tokoa, satria miaraka amin'ny fanampian'izy ireo, ankoatry ny famatsiam-bola, dia hisy famatorana kokoa ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra isan-karazany. Tombony ho an`izay ho ben`ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra ny fananana mpiara-miombon`antoka eo amin`ny fampandrosoana. Notsipihany manokana fa samy mijaly ny kandidà roa tonta noho ny tsy fahafantaran`ny mponina azy ireo. Andrasana, hoy i Velo Ghislain Arsene, izay voandalana hoentin`ilay kandidà avy any ivelany satria ny kandidà iray dia efa mampahafantatra amin`ny ankamaroan`ireo haino aman-jery ny “vary be menaka” ho an`Antananarivo Renivohitra ...

 

Marigny A.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT