Politique

Antananarivo Renivohitra Sao dia tsy tokony hasiana ben’ny tanàna ?


  • Alarobia 30 Janoary 2019

Manana ny maha izy azy Antananarivo Renivohitra amin’ny maha Renivohitr’i Madagasikara azy.

 

 Tsy mitovy amin’ny tanàn-dehibe rehetra fa sokajiana ho fitaratry ny firenena. Iaingan’ny politika sy ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Zary lasa sorona amin’ny adilahy politika anefa ity Renivohitra ity satria saika hita taratra hatrany ny antsojay samihafa mahazo izay mitantana ny Renivohitra raha tarafina amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy omena ny fanampiana faritan’ny lalàna fa tokony ho azy ny CUA, tsy feno ny fahefan’ny ben’ny tanàna sy ny kaominina toy ny amin’ny fitantanana ny SAMVA ka zary lasa fako politika ny resa-pako, ny fifehezana ny fanajariana ny tanàna amin’ny fanorenena samihafa izay ferana ny fahefan’ny kaominina, ny fanamboarana ny làlana izay tokony ho anjaran’ny Minisiteran’ny asa vaventy kanefa tsy vita,... Fitondrana 2 dia ny tamin’ny andron-dRajoelina sy Rajaonarimampianina no nifandimby tsy nahavita nandamina sy nandrindra ny fiainana teto an-drenivohitra : lalana, tsena, mpivarotra, fanorenan-trano gaboraraka,… Nitantana ny CUA ry Andry Rajoelina, Michel Ratsivalaka, Edgard Razafindravahy, Ny Hasina Andriamanjato, Joseph Ramiaramanana, fa tsy hita izay vitany. Tamin’i Marc Ravalomanana nitantana ny CUA nitohy tamin’ny naha filoham-pirenena azy no hita taratra ny tena fandrosoana sy fivoaran’Antananarivo, raha tsy hilaza afa tsy ny fahavitan’ny lalan’Anosibe, Anosy, Marais Masay, Boulevard de l’Europe,… Voahaja ny fitsipika samihafa. Nanao izay ho afany ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana na teo aza ny antsojay isan-karazany ka voafetra ihany ny azony atao. Rehefa tsy mikapa ranjo ny fanjakana foibe, dia manao ny ataony ny mpanolotsaina kaominaly mpanohitra. Sao dia tsy asiana ben’ny tanàna intsony fa tonga dia tantanan’ny fitondrana foibe Antananarivo raha izay no hampandroso azy sy hampirindra azy ? Azo tazonina ohatra ny rafitra toy ny boriborintany sy ny fisian’ny depiote fa hiandraketan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany sy ny fanajariana ny tany kosa ny renivohitr’i Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT