Politique

Antananarivo Renivohitra Notsoahina tamin’ny kaominina ny fitantanana ireo fokontany 192


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Nofaritan’ny filankevitry ny governemanta natao omaly fa ny fokontany no rafi-pitantanana fototra eto Madagasikara, ny fokontany izay tantanina komity ahitana filoha iray,

 

 filoha lefitra voalohany misahana ny fitantanana amin’ny ankapobeny sy ny resaka fandriampahalemana, ary filoha lefitra faharoa hiandraikitra ny asa fampandrosoana sy ny lafiny ara-toekarena. Ny boriborintany moa no miandraikitra ny fokontany, fa ny niova ary somary nanaitra tamin’ity fanapahan-kevitra ity dia notsoahana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fiahiana mivantana ireo fokontany 192, fa manomboka izao dia ny distrika avy hatrany no miandraikitra ireo fokontany eto an-drenivohitra. Izany hoe ny sefo distrika izany no manana fahefana hibaiko sy hanara-maso ny eny amin’ny fokontany fa tsy ny boriborintany na ny ben’ny tanàna intsony, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Taorian’ny fikirakirana ny fako izany dia ny fokontany indray no notsoahina tsy ho eo ambany fahefan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra intsony. Tsara homarihana anefa fa olona fidin’ny vahoaka no mitantana ny fokontany, ary olom-boafidin’ny vahoaka ihany koa ny ben’ny tanàna fa olona tendren’ny fitondram-panjakana no sefo distrika. Andrasana izay antony mazava sy mitombina nandraisan’ny fitondram-panjakana izao fanapahan-kevitra izao, izay mampihena hatrany ny fahefan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny asa azony tanterahana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT