Politique

Antananarivo renivohitra Niala ny PDS


  • Talata 28 Mey 2013

Anisan’ireo manampahefana, kandida nametra-pialana amin’ny andraikiny ka nanatitra ny taratasy mifandraika amin’izany teny amin’ny CES Ambohidahy omaly tolakandro ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Atoa Edgard Razafindravahy.

 Midika avy hatrany izany fa tsy niverin-dalana na koa nisintaka fa mijanona ho kandidan’ny TGV hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Manoloana ireo resabe etsy sy eroa, taorian’ny tsy nahatongavany na ny solotenany nandritra ilay antsapaka tamin’ny 8 mey 2013, teny Alarobia nandaharana ireo kandida ao amin’ny nileta tokana sy amin’ny hoe : niangaviana hisitaka Atoa Edgard Razafindravahy rehefa nirotsaka ny filoha mpanorina ny TGV dia mipetraka ihany ny fanontaniana rehefa nametra-pialana tsy ho PDS indray izy, hoe : hatao kandida fiandry ve izany Atoa Edgard Razafindravahy raha tsy maintsy hiala an-daharana i Andry Rajoelina noho ny faneren’ny sehatra iraisam-pirenena noho izy nitarika fanonganam-panjakana teto tamin’ny 2009 ? Izao famatreham-pialana amin’ny ora farany izao koa anefa dia toa manamafy fa dia hotanterahina amin’ny 24 jolay ihany ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT