Politique

Antananarivo Renivohitra Mitobaka ny fako


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Saika ahitana fako mivangongo avokoa ankehitriny eny amin’ireny dabam-pako eny manodidina eny.

Potika baoritra, “sachet”, taratasy, indrindra ireo sobika itondrana voankazo no mameno ny arabe eny Analakely sy Soarano iny sy amin’ireo tsena lehibe eto an-drenivohitra. Ny hariva amin’ny firavan’ny tsena iny no tena ahitana izany. Antony mahatonga izao fitobaky ny fako moa ny fitombon’ny isan’ireo mpiantsena amin’izao ankatoky ny fety izao. Manampy trotraka ihany koa ny fitobaky ny voankazo. Mbola asian’ny orana indray ireny fako ireny ka mainka manasarotra ny fanalana azy. Anisan’ny olana lehibe ho an’ny tanànan’Antananarivo moa ity resaka fanalana fako ity ankoatra ny fifamoivoizana.
Rabe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT