Politique

Antananarivo Renivohitra Kapitalin’ny ranomasina indianina


  • Talata 06 Desambra 2016

Hanomboka anio talata 6 desambra eto Antananarivo renivohitr’i Madagasikara ny fivoriambe tsy ara-potoanan’ireo tanŕn-dehibe sy ireo vondrom-bahoaka aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana na AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien), ka tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 8 desambra ho avy izao.


 Efa nanomboka ny alahady teo, nitohy omaly sy anio ny fahatongavan’ireo vahiny manan-kaja handray anjara  avy amin’ireo tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana toy ny avy atsy Maurice, La Réunion, Seychelles, Comores, Mayotte, misy koa ny avy any Frantsa. Ankoatra azy ireo, handray anjara amin’ny fivoriana ny Ben’ny tanàna sy ireo tompon’andraikitra amin’ny vondrom-bahoakam-paritra avy amin’ny tanàn-dehibe eto Madagasikara. Ho kapitalin’ny ranomasina indianina Antananarivo Renivohitra mandritra ny telo andro. Hiompanan’izao fihaonana izao ny fanavaozana indray ny biraon’ny AVCOI, eo ihany koa ny dinika ho amin’ny fampandrosoana amin’ireo tanànan-dehibe mpikambana. Mpanohana ara-teknika sy ara-bola izao fihaonana iraisam-pirenena karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra izao, ny fikambanan’ireo Ben’ny tanàna avy amin’ny tany miteny Frantsay sy ny Vondrona Eoropeanina.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT