Niova endrika tanteraka ny tontolo politika ho amin’ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Olona tsy mbola re firy tamin’ny politika no natolotry ny antoko 2 sokajiana ho goavana ho kandida ben’ny tanàna dia i Tahiry Ny Rina Randriamasinoro
izay sekretera jeneralin’ny kaominina natolotry ny antoko Tiako I Madagasikara ary i Naina Andriantsitohaina mpandraharaha anisan’ny mpanefoefo indrindra eto Madagasikara, minisitry ny raharaham-bahiny no natolotry ny IRD, antokon’ny fitondrana izay mbola ankamantatra ny antony nisafidianana azy na ho an’ireo IRD mafana fo azaIzy dia nanao velirano fa hanavotra an’Antananarivo, nitsotra ihany koa izy fa tena mbola vaovao amin’ny tontolon’ny politika. Tsy nitombina avokoa ny tombantombana rehetra. Tsy nilatsaka i Marc Ravalomanana na dia efa maro aza ireo nangataka azy mba ho kandida. Tsy nisy hita tabilao ihany koa ireo mpanao politika mahazatra manodidina an’i Andry Rajoelina toa an-dry Augustin Andriamananoro, Lalatiana Rakotondrazafy fa hafa mihitsy no natolony. Tsy sanatria manamaivana ireo kandida hafa fa efa manomboka mazava ihany ny sary fa dia ho fifandonan’ny TIM sy ny IRD no hitranga eto, izany hoe Tahiry sy Naina. Tsy nampoizina na “Surprise” ho an’ny rehetra iny fa ny teo anivon’ny TIM, dia nisy fandinihana lalina nahatongavana tamin’izao fanapahan-kevitra izao, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rtoa Olga Ramalason. Ny filoha Marc Ravalomanana dia mijery lavitra amin’ny ho avin’ny firenena sy ny tanànan’Antananarivo, ka noho ny fahitany an’izany no nandraisany fanapahan-kevitra tsy hanao indray na dia nisy aza ny fangatahana nataon’ny Rodoben’ny mpanohitra na ny RMDM sy ny antoko TIM na koa ny fikambanana samihafa sy ny olom-pirenena. Mba hahasoa ny firenena sy ny tanànan’Antananarivo, dia nanolotra olona hafa i Marc Ravalomanana na efa nodinihina aza teo anivon’ny antoko ary tsy nieritreritra ny TIM fa tsy hilatsaka izy. Efa nomanina ihany koa anefa ny kandida vitsivitsy, ka iny ny stratejia heverin’ny TIM fa mety indrindra hiatrehana ny fifidianana eto Iarivo. Tao anatin’ny fahamatorana ny fanapahan-kevitra, hoy hatrany Rtoa Ramalason Olga.
“VONONA SY SAHY AHO”
Io azo atao daholo ny zavatra rehetra eto, ary teknika no hamahantsika anio, ka izany no antony nifidianan’ny filoha Marc Ravalomanana ahy amin’ny maha teknisianina, hoy ny kandida Randriamasinoro Tahiry Ny Rina. Tsy hijanona ho teknisianina fotsiny fa nanapa-kevitra hoe aleo miroso lalindalina. Tsy fanapahan-kevitra kisendrasendra fa zavatra efa nodinihina lalina. Manome toky aho, fa io vitantsika io, ary tsy hitako ny sakana raha amiko manokana sy ny fiarahana amin’ny filoha Ravalomanana entina manatanteraka izany. Efa vonona ny amin’izany ny tenako, hoy ny kandida Randriamasinoro Tahiry Ny Rina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.