Hotanterahina rahampitso alakamisy 16 janoary amin’ny 10ora maraina etsy amin’ny Parvis Analakely ny lanonana fifamindram-pahefana eo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao
Ravalomanana sy ny mpandimby azy Atoa Naina Andriantsitohaina. Hatao avy hatrany ny fametrahana ny samboady maha ben’ny tanàna azy. Efa niarahaba azy manokana moa ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina hanatanteraka ny « velirano », ary nilazany fa tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny vina “Emmergeance” izay hoentin’ny fanjakana Antananarivo manomboka izao. Miisa 8 ireo Veliranon’Iarivo nampanantenain’i Naina Andriantsitohaina, toy ny fahadioavana, fandaminana ny tanàna, ny tsena … Nanao izay ho afany ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny fitantanana ny tanàna na teo aza ny sakana, kapa vavaranjo natao taminy. Tratry ny fahirano ny kaominina Antananarivo, tahaka ny fanagiazana sy tsy fanomezana ny anjara vola (subventions), ny tsy fakana ny fako izay teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny rano, nandefasana mpitsirika ara-bola im-betsaka … Arahabaina izy nahavita izay 4 taona izay, ary hirariana mba hahavita bebe kokoa ny mpandimby azy satria tsy mora ny asa miandry.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.