Nampiavaka ny fitondrana Ravalomanana nanomboka tamin’ny taona 2002 ny firoborobon’ny lafiny diplaomatika teo amin’i Madagasikara sy ireo firenena manerana ny vazantany efatra.
Iray tamin’ireny ny fiverenan’ny fifaneraserana matotra tamin’ny firenena israelianina rehefa tapaka tanteraka hatramin’ny nijoroan’ny Repoblika faharoa. Vonona ny hampisongadina manokana io fifandraisana io amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra rahateo i Israel, hoy ny masoivohony Eli Bentura nandritra ny fihaonany tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teny Analakely omaly. Hatao mazava tsara araka ny lalàna manomboka izao ny maha mpiara-miombon’antoka tanteraka ireto tanàna ambonivohitry ny firenena roa tonta ireto, araka ny nambaran’ity ambasadaoro israelianina ity. Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tanàn-dehibe roa ny fisian’ilay fifanarahana maha mpirahavavy an’Antananarivo Renivohitra sy i Jerosalema. Misandrahaka amin’ny sehatra marolafy ity porofon’ny fifampitokisana eo amin’ny an-daniny sy an-kilany ity. Anisan’izany ny fitantanana ny rano fisotro madio, ny fanazavana ny tanàna, ny fanabeazana fototra na koa ny lafiny fikarohana sy fampiofanana matihanina sy ny maro hafa. Fanatsarana ny fifanomezan-tanana efa nisy tamin’ny fitondrana foibe talohan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ihany moa ity fifanarahana hampifamatotra ny CUA sy ny tanànan’i Jerosalema ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.