Raikitra izany ny propagandy. Hifamoivoy manerana an’i Madagasikara indray ny kandida avy amina antoko politika.
Ny tsy miankina hiezaka handresy lahatra ny vahoaka mpifidy 10 tapitrisa mahery mba hifidy azy ireo amin’ny 27 novambra ho avy izao, fifidianana ben’ny tanàna io. Mifantoka ny amin’ny ho fandehan’ny toe-draharaha eto Antananarivo Renivohitra ny sain’ny mpanara-baovao satria tena hafotaka ny raharaha eto. Kandida 2 no misongadina avy hatrany dia Atoa isany Tahiry Ny Rina Randriamasinoro (TIM) sy i Naina Andriantsitohaina (IRD). Fihodinana fahatelo na “3ème tour” eo amin’ny MARAP IRD antokon’ny filoha Andry Rajoelina sy ny Tiako i Madagasikara (TIM) tarihan’i Marc Ravalomanana io. Izy ireo izay nifanandrina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018. Malaza ho mifidy mpanohitra hatrany Antananarivo, ka maro no efa mahita fa tsara toerana noho izany ny kandidan’ny TIM. Eo koa anefa ireo milaza fa hisy revolisionina amin’ity indray mitoraka ity ka hifidy ny olona atolotry ny antokon’ny fitondrana ny vahoakan’Antananarivo. Tsy misy mahalala izay havoakan’ny ampitso ary na dia efa samy nampahafantatra ny tenany tany amin’ny vahoaka aza ireto kandida roa ireto dia any amin’ny fahavitan’ny latsa-bato mihitsy vao ho fantatra ny tena marina. Nisafidy mpandraharaha, tafiditra ao anatin’ireo olona 10 manankarena indrindra eto Madagasikara ny IRD. Tompona orinasa i Naina Andriantsitohaina. Taorian’ny naha filoha an’i Andry Rajoelina vao hita teo amin’ny sehatra politika izy ary voatendry ho minisitry ny raharaham-bahiny. Niezaka namafa ilay sariny nambara fa “Patron” be sy olon’ny birao ity kandidan’ny IRD ity ka nifangaro tamin’ny vahoaka sy niezaka nitety ireo fokontany eto an-drenivohitra. Tanora, vokatra 100% teto Madagasikara kosa i Rina Randriamasinoro, mahalala tsara an’Antananarivo satria sady zanak’Antananarivo, nianatra teto Antananarivo ary efa tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra nandritra ny fitantanan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Hita ho mahazo aina kokoa amin’ny fifaneraserana amin’ny vahoaka i Rina. Tsy azo lavina fa tombony lehibe ho azy ny fananany an’i Marc Ravalomanana eo anilany, izay efa ben’ny tanàna sady filoham-pirenena nandritra ny 7 taona. Mahalala zavatra betsaka momba an’Antananarivo sy i Madagasikara ary ny fifandraisana iraisam-pirenena. Nampiseho ohatra tsara eo amin’ny fanaovana politika eto ihany koa ny TIM ka nampihatra ilay Fanilo miampita. Tsy arakaraka ny kisarisary noheverin’ny mpanatsatso, tsy nidongy toerana i Dada fa nanankina ny fitokisany amina tanora, mahay mahalala, mahavita io ary mbola hanao asa betsaka kokoa noho ny vitako aza, hoy i Marc Ravalomanana momba an’i Rina Randriamasinoro. Etsy an-kilan’izay tanànako, tanànatsika ity ka tsy maintsy ataontsika maha te honina sy mandroso hoy i Naina Andriantsitohaina.Azo antoka fa hafana ny fifanandrinana eo amin’ny roa tonta mandritra ny propagandy ary tena miandry ny andinindinin’ny fandaharanasa amn’izay ny mpifidy. Asa mivaingana hampiova tokoa ny fiainana, hampivoatra ny tanàna fa tsy fampanofinofisana hakana vato fotsiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.