Politique

Antananarivo Hivoaka anio ny voka-pifidianana ofisialy


  • Zoma 10 Janoary 2020

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy anio zoma 10 janoary amin’ny 10ora eny amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny valim-pifidianana teto Antananarivo.

 

 

 

 Efa mazava ny vokatra raha niainga tamin’ny didy nivoaka momba ireo fitoriana, izay nolavina avokoa. Ny kandidan’ny IRK Atoa Naina Andriantsitohaina izany no ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Mbola manana herijika farany afaka mampiakatra ny raharaha any amin’ny Filankevi-panjakana anefa ny tsy afa-po amin’izay valiny eo, fa tsy didy tsy azo ivalozana tahaka ny an’ny HCC io. Kely anefa ny herijika mety mbola hitsimbadihan’ny raharaha. Mazava ny fanapahan-kevitra fa niaro ny CENI ny tribonaly tamin’ny raharaha. Tsy eto Antananarivo ihany fa ny tao Toamasina I, ohatra, dia voatsipaka am-bavafo ihany koa ny fitoriana nataon’i Roland Ratsiraka sy ny kandida hafa. Dia tena tsy mitombina sy maivana ve ny porofo ary tena tsy mahay ve ireo mpahay lalàna nandrafitra ny fitoriana sy ny mpisolovava ? Manomboka eto dia miha miakatra ny risika hisian’ny fitakiana politika mafimafy kokoa ary mety hiitatra amina zavatra hafa fa tsy hionona intsony amin’ny fifidianana. Ny endrika isehoany no tsy hay, fa manomboka mandeha ny famondronan-kery samihafa amin’izao fotoana izao. Ho sahirana amin’io ihany koa ny fanjakana eo anatrehan’ny olana samihafa miseho. Ny naka ny fahefana mantsy mety vita ihany fa ny zavatra andrasan’ny olona teo anatrehan’ny fampanatenana nirarakopana mbola tantara lava.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT