Politique

Antananarivo fahatelo Vonon-kandresy ny kandida Feno sy Bodo


  • Alatsinainy 08 Aprily 2019

Nanakoako ny hira “isika tsy resy fa isika mpandresy” nandritra ny fanolorana ireo kandida depiote atolotry ny TIMK25 eny amin’ny Boriborintany faha-3, dia i Feno Ralambomanana sy Bodo Razafindrazaka miampy ireo mpiray lisitra amin’izy ireo ny sabotsy 6 aprily lasa teo.

 

 Nanamafy io hira io ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana nilaza fa tsy resy fa isika fa mpandrefy, ary tsy maintsy hataontsika izay hampandresena azy ireo, hoy izy izay nanolotra tamim-pomba ofisialy ireto kandida ireto. Mitaona ny rehetra hiezaka ny tenany mba hibatana ny fandresena, ary vonona ihany koa ny hanampy amin’ny lafiny rehetra, ka na amin’ny propagandy aza dia ho avy satria ny ho voalohany na “Number one” no tanjona, ka hanao poa-droa hahafahana manao ilay rodoben’ny mpanangana. Tena hataovy izay hampandresena anareo fa isika mpandresy. Mahatoky aho. Raha nisy disadisa tany dia avelao any aloha iny satria ny tanjontsika dia ny handresy. Fantatro ny ao am-pon’ireo olona ireo. Te hisarangotra, saingy tsy hitany izay hisarangotana, ka fotoana tena ilana ireo solombavambahoaka izao. Mirotsaka amin’ny Boriborintany fahatelo izahay, izay mazava ho azy fa tompony fa tsy mpindrana satria nitrebona avy amin’io boriborintany io, hoy kosa ny kandida Feno Ralambomanana sy Bodo Razafindrazaka. Nanamafy fa tsy handraraka ilo mby an-doha fa tena hanao izay faraheriny hanasoavana ny vahoakan’ny Boriborintany faha-3 sy tena hiady ho an’ny soa iombonana eny amin’ny antenimiera. Manainga ny rehetra hanamarina ny anarany any amin’ny Biraom-pokontany mandra-pahatongan’ny 15 mey izy ireo. Mandrisika mba handehanan’ny rehetra mandeha mifidy satria izao no fara-fanavotana an’i Madagasikara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT