Ny Fokontany Soavimasoandro no nisantaran’ny TIMK25 eny amin’ny boriborintany faha-5 ny hetsika vizaham-pahasalamana arahina fitsaboana maimaimpoana nanomboka omaly alakamisy 21 martsa.
Angady nananana sy vy nahitana izao asa sosialy miantraika mivantana amin'ny mponina izao ny kandida depiote Ralambozafimbololona Fetra na « Fetra » sy Ramboavelo Andrianantenaina Jocelyn Willy na « Chief Naina », ka nisaotra sy nidera manokana ny finiavana ananan’izy ireo sy ny mpitsabo nandray an-tànana azy ny mponina tao Soavimasoandro. Nitsodrano azy mirahalahy sy vonona hanome tànana amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey ny olona, izay tonga maro. Tsy hijanona eto aminy fokontany Soavimasoandro, ny hetsika fa hitohy any amin'ny fokontany eto amin’ny boriborintany faha-5, indrindra any amin’ireo toerana marefo ny hetsika, hoy i Fetra. Mitsabo ara-bakiteny aloha ny hetsika mandeha amin’izao, fa adidy goavana miandry etsy Tsimbazaza ny fitsaboana amin’ny endriny hafa, ka tsy ho depiote tsangan’olona fotsiny fa tena hisolovava sy hiady ho an’ny vahoaka mba ho afaka amin’ny geja sy ny aretin’ny fahantrana mikiky ny ankamaroan’ny olona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.