Toa efa misarintsarina propagandy ny zava-misy eto Antananarivo amin’izao iray volana mahery tsy hidirana amin’ny fammpielezan-kevitra izao.
Voatetin’ireo kandida ny tsena, fiangonana, fianarana, toeram-piasana, fivoriana, hetsika sy lanonana isan-karazany, toeram-pitsaboana… Ny Bar na ny toeram-pisotroana izay tena feno eraky ny tanàna sisa tsy nidirany, hoy ny vazivazy mandeha. Toa lasa kianja politika ny toerana rehetra. Miezaka mampiseho fa tena mahay mitakosona sy akaiky ny vahoaka. Misy manao ny tsy fanaony hatramin’izay. Zary lasa fihomehezana ilay izy indraindray satria tsy nahazatra hatramin’izay, saingy paikady hakana fom-bahoaka, ka tsy maintsy atao. Ny zava-dehibe dia tena mahita ny fari-piainana sy ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka tokoa, toy ny filaharana rano, ny loto, ny fahantrana,… ireo kandida amin’ny fidinana ifotony ataony. Tena hitondra vahaolana ve anefa sa hivalona ho vonjy tavanandro toy ny fahita hatrizay ireny fihetsika ireny ? Raha tena mahatoky valera ihany koa ny kandida dia hevitra araka ny maha “fampielezan-kevitra” azy no haely amin’ny fifidianana ka tsy tokony hividy vato amin’ny endriny samihafa. Ny kandidan’ny antoko Tiako I Madagasikara Rina Andriamasinoro sy ny kandidan’ny IRD Naina Andriantsitohaina aloha no tena hita ho mihetsiketsika mafy eto Antananarivo. Tsy sanatria manamaivana ny kandida hafa fa ireo no heverin’ny maro fa tena hifampitady. Ny an-kilany atosiky ny fitondrana, mpandraharaha matanjaka ary toa mampiseho fa hateliny mora foana ny mpifanandrina. Ny an-daniny koa maneho fa vonona sy sahy ary manantena hibata fandresena. Samy avy amin’ny antoko lehibe efa nifampitady hatramin’ny taona 2007 ireo. Samy mampiseho sary fa izy no hivoaka mpandresy. Raha ny tantara, lavon-dRajoelina ny kandidan’ny TIM ny taona 2007. Nandresy indray tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna 2015, fifidianana filoham-pirenena 2018, fifidianana depiote 2019 raha ny isam-bato no jerena,…. Tsy maintsy hanao izay fomba rehetra hahazoana an’io izy ireo ary mbola baraingo tanteraka izay handresy. Ny hirariana dia mba tena hadio ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.