50 taona nijoroana ny ANTA (Agence Nationale d'Information Taratra) manana ny foibem-toerany etsy Ambohidahy.
Loharanom-baovao eo ambany fiahian’ny ministeran’ny serasera ny ANTA. Tsy avela handalo fotsiny izay tsingerintaona izay fa dia homarihina amin’ny fampirantiana sary 300 eo notsongaina avy amin’ny tahirin-tsary, mahatratra 400.000, ananany araka ny fanazavan’ny Administratera delege sady mpanao gazety, Ruffin Rakotomaharo. Any amin’ny faramparan’ny volana jolay any no hanatanterahana azy io. Nofinofin’ny ANTA ny hilahatra amin’ny AFP (Agence France-Presse) an-dry zareo Frantsay, Reuters an’ny Anglisy mbamin’ny Associated Press (AP) manana ny foibeny any Etazonia, afaka 50 taona.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.