Politique

Anosy, Androy, Bongolava Faritra atahoran-dRajoelina


  • Zoma 07 Septambra 2012

Raharaha iray mbola mitana ny sain’ny maro ny firongatry ny asan-dahalo any atsimon’ny Nosy, indrindra any amin’ny Faritra Androy sy Anosy sy ny tsy fandriampahalemana any amin’iny Bongolava iny, izay mitarika fifindra-monina mihazo an’i Melaky amin’izao fotoana izao.

 Fifanandrifian-javatra sa misy antony manokana fa Faritra atahoran’i Andry Raojelina raha Anosy sy Androy, tsy mba tsidihiny tao anatin’izay telo taona sy tapany nahateo amin’ny fitondrana azy izay. Marina fa tsy filoham-pirenena voafidim-bahoaka i Andry Rajoelina, fa tonga teo amin’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny martsa 2009.

Na izany aza dia saika noteteziny na nandehanany ny Faritra rehetra eto amin’ny Nosy afa-tsy ireo any atsimon’ny Nosy ireo. Mety mihevitra koa angamba ireo tandapa sasany, fa Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa ary Toamasina no karakaraina dia milamina amin’ny fifidianana. Mety horaisin’ny olona ho fanaovana azy ho zanak’Ikalahafa na koa tsy misy mpiahy anefa izany dia izao misavoritaka toy ny tany tsy misy fanjakana izao, mifamono ny samy Malagasy. Ho an’i Bongolava indray dia io no hany Faritra tokana, sahy nanao TSIA tamin’ny fitsapan-kevibahoaka momba ny lalàmpanorenana nataon’ny FAT tamin’ny 17 oktobra 2010.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT