Lasa fananan’ny HVM angaha ny kianja mitafon’Ankorondrano ? Izay no fanontanian’ny maro manoloana ny zava-nitranga omaly teny.
Toa manaporofo izany ny fanambarana nataon’i Fetison Rakoto Andrianirina tao amin’ny pejy fesibokiny nilaza fa “Saika hanao kongresy nasionaly tao amin’ny Gymnase Ankorondrano ny Antoko RDS (Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy) tamin’ny ity taona ity. Nilaza ny tompon'andraikitra fa tsy mandray fivoriana politika ny toerana. Voaporofo izao fa ny HVM tsy antoko politika. Aiza ny rariny ?” Notsipihiny mazava fa mpiasam-bahoaka ny tompon'andraikitra nilaza sy nanamafy ary hentitra fa tsy mampiantrano na andoavam-bola aza, ny toerana. Mazava ny resaka, manampatra ny fahefany ny HVM antokon’ny fitondrana. Nibaribary izany tamin’ity taona 2017, toy ny nanakanany tamin’ny fomba rehetra ny lanonana fankalazan’ny antoko Tiako I Madagasikara ny faha-15 taona nijoroany, tokony ho natao tao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny 8 jolay 2017, na dia efa nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, izay mitantana ny fotodrafitrasa, alalana aza. Ny 14 desambra 2017 teo indray, dia tsy nasian’ny fanjakana setriny, izay midika ho fandrarana, ny fangatahan’ny fikambanana Andrianiko ny Tanindrazako, tarihin’i Andrianina Rajoharison, izay nikasa ny hankalaza ny tsingerintaona voalohany nijoroany tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina. Dia izao vaky vava hatramin’i Fetison Rakoto Andrianiaina izao, amin’ny afitsok’ity fitondrana HVM ity.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.