Na dia samy ao anatin’ny ankolafy Zafy aza ny Pr Miandrisoa Marcel sy Ravololomanana Lalatiana dia samy manana ny fomba hitondrany tolona.
Nazava izay fahasamahifan’ny fomba fiasa eo amin’izy ireo izay nandritra ny hetsika notontosain’ny Free FM teny Ambohijatovo ny sabotsy 19 mey teo. Isan’ireo mpanao politika mpanohitra tonga teny an-toerana mantsy i Miandrisoa Marcel, izay nanazava fa nanamafy ny hetsika ny tenany satria foto-kevitra ijoroan’ny ankolafy Zafy koa ny fametrahana ny fahamarinana eto amin’ny firenena. Marihina fa isany nitarika ny fifampiresahana tamin’ireo mpitandro ny filaminana teo anoloan’ny vavahady mba hamelana ny vahoaka hiteny ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo ity mpitarika ny ankolafy Zafy ity. Mitaky ny famerenana amin’ny vahoaka ity Kianjan’ny demokrasia ity koa i Lalatiana Ravololomanana saingy ny fifandresen-dahatra mivantana sy ampilaminana amin’ny tompon’ny toerana izany hoe ny Kaominina Antananarivo no lalana arahany. Aminy mantsy dia miteraka savorovoro ny fisisihana hankao Ambohijatovo izay efa raran’ny mpitandro ny filaminana ary mbola ho rarany raha tsy misy ny alalana avy amin’ny mpitantanana ny tanàna.
Raha ny nambaran’i Lalatiana Ravololomanana dia efa nisy ny fihaonana mivantana tamin’ny Filankevitra monisipaly ny zoma 18 mey lasa teo nanontaniana azy raha tazomina ao Ambohijatovo ny Kianjan’ny demokrasia na ovaina toeran-kafa. Soson-kevitra naroson’ny delegasion’ny Vondron’ny mpanohitra, misy an’i Lalatiana Ravololomanana, tamin’izany ny Kianjan’ny 13 mey na koa Ambohitsorohitra satria ireo no toerana nandatsahana ràn’ny Malagasy. Nilaza ny filohan’ny Filankevitra monisipaly tamin’io fihaonana io fa tazonina ho Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo. Mbola hidinika amin’ny prefektiora kosa anefa ny Filankevitra monisipaly raha ho sokafana malalaka hanaovana fanehoan-kevitra politika na tsia io toerana io, hoy Rabenandriana avy amin’ny Vondron’ny mpanohitra. Rahampitso talata no milaza ny fanapahan-keviny ireo mpitantana ny Kaominina.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.