Politique

Ankolafy Zafy sy Ratsiraka Tsy vahaolana ny fifidianana amboletra


  • Sabotsy 15 Septambra 2012

Tsy vahaolana ho an’ny firenena ny fanaovana fifidianana amboletra raha ny fahitan’ny ankolafy Zafy sy ankolafy Ratsiraka any Antsiranana, notarihin’Atoa Manoël sy Dr Houssen ary Rinkan Richard sy Tomboravo Mahazatsakila, tamin’ny tafa nifanaovan’ny Tia Tanindrazana tamin’izy ireo.

 Ho azy ireo dia maika ny fampihavanam-pirenena tena izy, eken’ny Malagasy rehetra sy ny mpanao politika fa tsy ny fampihavanana an’i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana ihany, ary aorian’izay dia miroso amin’ny fifidianana lalàmpanorenana hitondrana an’i Madagasikara fa tsy fitsapan-kevi-bahoaka no atao. Araka izany dia tokony hisy lalàmpanorenana samihafa hofidian’ny mpifidy fa tsy atao tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka.

Manaraka izany dia nambaran’izy ireo fa ny rafitra federaly ihany no ahafahana mampandroso an’i Madagasikara fa raha mbola toy ilay lalàmpanorenana nofidiana tamin’ny karinem-pokontany io dia tsy hitondra filaminana eto Madagasikara mihitsy ary tsy hisy filoha hahavita fe-potoam-piasana izany eto fa hiteraka korontana lava. Nambaran’izy ireo  fa fialokalofan’ny mpanao ratsy fotsiny io lalàmpanorenana amin’izao io fa tsy hitondra fivoarana ho an’ny Malagasy mihitsy. Porofon’izany, hoy izy ireo dia «ny mpitondra avy aty anindran-tany mangalatra ka manorina ny fananany any an-drenivohitra ary ny avy any an-drenivohitra mangalatra sy manorina fananana any anindran-tany, dia mifampiaro fotsiny ny mpiakama rehetra».

Nohamafisin’izy ireo fa tsy mbola ankatoavin’ny rehetra io rafitra napetraka hikarakara ny fifidianana io satria mbola taritokana no nametrahana azy ka mila hovaina io, ary na ireo rafitra toy ny CT sy CST aza dia mahamenatra satria mpianakavy fotsiny no mandrafitra azy ary saika mpanohana an-dRajoelina avokoa, ka midika fa tsy misy fifandanjan-kery ao ka mila ravaina izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT