Politique

Ankolafy Zafy Nanamafy fa tsy mbola hiditra anaty Tetezamita


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Tsy mbola nahazo valiny avy amin’ny SADC momba ireo fitoriana nataony ny FAT momba ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ny Ankolafy Zafy, anisan’izany ny fampiasan-kery nataon’ny Emmo-Reg ny profesora Zafy sy ny vahoaka niaraka taminy teny Ambohijatovo ny 17 janoary lasa teo.

 Tsy kivy fa manamafy hatrany ny fitakiany izy ireo. Tsy mbola hiditra ao anaty Tetezamita ry zareo na dia nisy aza ny antso nataon’ny Troika tamin’ny alalan’ny minisitra lefitra Afrikanina Tatsimo Marius Fransman momba izany tany Pretoria farany teo. Antso izay nampitaina mivantana tamin’ny delegasionan’ny Ankolafy Zafy tany an-toerana, Pr Miandrisoa Jean Marcel. Rtoa Lalatiana Ravololomanana no nanambara ireo fepetra takiana vao miditra amin’ny fiaraha-mitantana izy ireo. “Atsahatra ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ary mila averina ny fananganana ny governemanta, ny Parlemanta ary apetraka ny fitoniana amin’ny alalan’ny famotsorana ny gadra politika sy ny fiverenan’ny sesitany”, hoy izy. Nambarany koa fa rehefa tsy vita ny mamerina indray ny fananganana ireo rafitra ireo dia avalona hatreo ny tondrozotra ka miditra amin’ny diniky ny samy Malagasy tarihan’ireo raiamandreny sy ny fiarahamonim-pirenena.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT