Politique

Ankolafy Zafy Albert Voailika ry Manoro Régis sy Rakotovahiny


  • Alarobia 21 Desambra 2011

Miova manaraka ny toe-draharaha politika ny firafitry ny delegasion’ny ankolafy Zafy Albert, ary manamarina ny fanambaran-dRtoa Lalatiana Ravololomanana ny fivoahan'ny lisitra vaovao manambara ny mpikambana mandrafitra ny delegasion’ny ankolafy Zafy Albert amin’ny fihaonana sy fifampidinihana itadiavam-bahaolana hivoahana amin’ny krizy.

 . Fantatra ary izao fa ny Pr Miandrisoa Marcel no lehiben'ny delegasionin'ity ankolafy ity, izay andraikitra notanan’ny Dr Rakotovahiny Emmanuel teo aloha, ary mpikambana ao anatin'izany koa Atoa sy Rtoa isany : Rajaonarivelo Paul, Razanamasy Yves, Mektoub Omar el Camille, Tsarahame Edouard, Iangonjafy Marcellin, Lalatiana Ravololomanana ary Sofia Ralalasoa Marthe. Mitondra ny datin'ny sabotsy 17 desambra 2011 teo moa ity fanambarana ity. Voalazan'ny fanambarana iray hafa izay nosoniavin'ny profesora Zafy Albert ihany koa fa nanomboka ny 8 desambra lasa teo dia Atoa Yves Razanamasy no lehiben'ny vaomieran'ny serasera sady mpitondra teny ofisialin'ny ankolafy Zafy Albert, andraikitra notanan’i Manoro Régis teo aloha, ka dia izy irery ihany no afaka manao fanambarana amin'ny anaran'ity ankolafy ity. Midika avy hatrany izany fa mpisandoka sy mpisoloky ny olona hafa ankoatr'ireo voatonona ireo ka miteny sy mamoaka vaovao amin'ny anaran'ny ankolafy Zafy.

Tanteraka izany izao ny fanambaran'Atoa isany Manoro Régis sy Tabera Randriamanantsoa fa dia ny filoha Zafy ihany no afaka manala azy ireo ao amin'ny alalan'ny taratasy ao anatin'ity ankolafy ity. Tsy mpikambana ao anatin'ny ankolafy Zafy Albert intsony 'izany ireo olon'ity ankolafy ity mbola mijanona ao anatin'ny governemanta, ary midika avy hatrany koa fa tsy ao anatin'ny governemantan'ny firaisam-pirenena ny ankolafy Zafy izay mahita fa nibirioka ny fampiharana ny tondrozotra ary tena tsy araka ny nifanarahana. Azo ambara fa fitsipahana avy hatrany ny praiminisitra Beriziky koa izao fihetsiky ny ankolafy Zafy Albert izao ary mbola manaporofo indray fa tsy mbola tafapetraka ny tetezamita iaraha-mitantana eto Madagasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT